Vakio miaraka amin'i Akili - T icon

Vakio miaraka amin'i Akili - T vVARY

Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 0 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 1 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 2 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 3 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 4 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 5 Vakio miaraka amin'i Akili - T screenshot 6

About this app

Developer Description

Miaràha amin’i Akili, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany!

TOERANA MARO BE

Miaràha amin’i Akili na andro na alina, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany fa feno zavatra mahafinaritra izao tontolo izao!

Ho aiza i Akili avy eo? Anaty ala? Ambony sambo? Any an-trano? IANAO no misafidy miaraka amin’ity bokim-pifandraisana ity. Aza adino misavaona ny vorona, mampilalao ny rajako ary ny fifaninanana sambo eny an-dàlana!

Manomboka eny ambony rahona hatrany amin’ny ranomasina mamirapiratra, safoy izao tontolo izao miaraka amin’ny ity tantara mampihetsi-po ity.

FANDAHARAM-POTOANA

* MAMAKY amin’ny alàlan’ny lentam-pahasarotana
* MANDINIKA teny, sary ary hevitra amin’ny alàlan’ny endri-javatra mifandray
* MIHAINO tantara feno sy fomba fiteny
*MISAFIDY ny toerana alehan’i Akili manaraka—Ianao no manao ny tantara
* AKILI no mitantara azy hatramin’ny farany
* MAZOTOA mianatra mamaky


MAIMAIM-POANA, TSY MISY DOKAMBAROTRA, TSISY VAROTRA AN-KERY!
Maimaim-poana ny atiny rehetra, noforonin’ny Curious Learning sy Ubongo..


NY FANDAHARAM-POTOANA AMIN’NY FAHITA LAVITRA – AKILI AND ME

Akili and Me dia kilalaon-tsaina amin’ny alàlan’ny sarimihetsika, noforonin’ny Ubongo, mpamorona ny Ubongo kids sy Izaho sy Akili – fampianarana mahafinaritra vita tao Afrika, hoan’ny Afrika.
4 taona i Akili, ary mipetraka miaraka amin’ny fianakaviany izy eny am-pototry ny tendrimbohitra Kilimanjaro, ao Tanzania. Manana tsiambaratelo izy: rehefa tafatory izy amin’ny alina dia miditra ao amin’ilay tanàna mahagaga antsoina oe Lala Land, toerana hianarany sy ny biby namany, momba ny fiteny, litera sy isa ary zava-kanto, sady manatsara toetra no mifehy ny fihetsem-pony ary manova malaky ny fiainan’ny ankizy! Miaraka amin’ny fampielezana manerana firenena dimy, ary fanarahana azy mavitribitrika amin’ny aterineto, tian’ny ankizy maneran-tany mihitsy ny fianarana majika miaraka amin’i Akili!

Jereo ny horonan-tsary Akili and Me amin’ny aterineto ary tsidio ny tranonkala www.ubongo.org raha mandeha amin’ny firenenao ny fampianarana.


MOMBA NY UBONGO

Ubongo dia orinasa sosialy mamorona kilalaon-tsaina mampiasa ny teknolojia efa misy, hoan’ny ankizy ao Afrika. Manentana ny ankizy hianatra sy hitia fianarana!

Manandratra avo ny herin’ny fialam-boly, ny fihitaran’ny haino aman-jery ary ny teknolojian’ny finday hanomezana fampianarana sy fanabeazana avo lenta.


MOMBA NY CURIOUS LEARNING

Curious Learning dia orinasa tsy mitady tombony, nitokana hampianatra hamaky teny sy hanoratra hoan’ireo olona te hianatra. Vondrona mpikaroka, mpamokatra ary mpanabe izahay, nitolo-tena hampianatra ankizy amin’ny fitenin-drazany maneran-tany amin’ny alàlan’ny porofo mivaingana sy antontan’isa voamarina.

MOMBA NY APPLI

Vakio miaraka amin'i Akili - Toerana Maro Be! Dia noforonin’ny sehatry ny Curious Reader, novokarin’ny Curious Learning hananganana traikefa famakiana manaitra sy mahaliana.

Version Information

Version
-
Downloads
10K+
Updated on
-
Released
Jan 17, 2026
Requires
Android Varies with device

Statistics

Google Play Rating History

Current
Average
Range

Rating Distribution

Total Ratings:

Downloads Over Time

Vakio miaraka amin'i Akili - T has been downloaded times.

Total Downloads
Last 30 Days
Avg Daily Est.

Shaded area shows 30-day prediction based on historical trends

Historical data collection started recently. More data points will be available over time.

ApkTrusted Ratings & Reviews

0.0
0 ratings
5
0
4
0
3
0
2
0
1
0
✓ Thank you! Your review has been submitted and will be published after admin approval.
Be the first to write a review...

More from Ubongo

See more apps

Explore Tags

Browse all tags